♦ Hanohy ny tolona efa natomboky ny mpanolontsainan'ny tanàna Clémence Raharinirina sy Alban Rakotoarisoa ny vovonana Firaisankina. Tsy hitsahatra hitaky izy ireo raha tsy efa mivaha ny olana maro samihafa mianjady ny vahoaka Malagasy... ♦ Mangataka fihaonana amin'ny filohan'ny repoblika hikatsahana vahaolana miaraka momba ny olana mahazo ny mpiasan'ny fahasalamana ny sendika TRIADE ; tsy ekena hoy izy ireo ny ramatahora samihafa... ♦ Mandray andraikitra mividy ireo fako plastika miparitaka eny anivon'ny fiaraha-monina ny orinasa eto Madagasikara. Nivoitra nandritra ny andro eran-tany ho an'ny fanadiovana natao ny sabotsy teo izany...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...