♦ Hanohy ny tolona efa natomboky ny mpanolontsainan'ny tanàna Clémence Raharinirina sy Alban Rakotoarisoa ny vovonana Firaisankina. Tsy hitsahatra hitaky izy ireo raha tsy efa mivaha ny olana maro samihafa mianjady ny vahoaka Malagasy... ♦ Mangataka fihaonana amin'ny filohan'ny repoblika hikatsahana vahaolana miaraka momba ny olana mahazo ny mpiasan'ny fahasalamana ny sendika TRIADE ; tsy ekena hoy izy ireo ny ramatahora samihafa... ♦ Mandray andraikitra mividy ireo fako plastika miparitaka eny anivon'ny fiaraha-monina ny orinasa eto Madagasikara. Nivoitra nandritra ny andro eran-tany ho an'ny fanadiovana natao ny sabotsy teo izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...