♦ Miisa 24 ny Eveka amperin'asa mandrafitra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Nohamasinina ho Eveka, omaly, Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste, notendren'i Papa Léon-XIV, ho Eveka mpanampy ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nahatratra 5 taonina ny fako voahangona nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny fanadiovana ny planeta notanterahana teny Tanjombato sy ny manodidina ho an'ny teto Antananarivo. Azo avadika ho akora vaovao indray ny fako plastika voahangona... ♦ Nitsidika toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo ny faran'ny herinandro teo... 

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...