♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo faritra arovana miisa 52 ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ireo mpitantana faritra arovana... ♦ Miisa 1.213 zazavavy sy tovovavy no tonga niatrika ny lasy nasiônalin'ny fikambanan'ny Fanilon'i Madagasikara, nahatonga solontena tamin'izany ny Diôsezy 19 amin'ny 22 manerana ny nosy... ♦ Distrikan'i Ikongo tsy mbola tapitra ny ady amin'ny tazomoka, tsy mbola foana tanteraka izany ary mitohy ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ataon'ny fitondram-panjakàna an'ireo marary eny anivon'ny tobi-pitsaboana... 

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...