♦ Nosokafana omaly ny 8km vita amin'ny lalam-be migodàna mankany Toamasina. Nahazo famatsiam-bola fanampiny avy amin'ny mpamatsy vola ny fanohizana ny fanamboarana hoy ny filoham-pirenena omaly... ♦ Misy ny fivoriamben'ireo fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny SADC, eto Antananarivo, taorian'ny fihaonana an-tampon'ity vondrona ity, ny alahady teo. Mpikamban'ny firaisamonim-pirenena maro aty atsimon'i Afrika no mandray anjara amin'izany... ♦ Efa kely amin'izao ny tahirin-drano any amin'ny farihin'ny Tsiazompaniry, hanondrahana ny lemak'Antananarivo. Tokony ho ampy hiomanana amin'ny fotoam-pambolena anefa izany, hoy ny APIPA...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...