♦ Handoavam-bola amin'ny fotoana mahamety azy ny lalam-baovao mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato nisokatra tamin'ity herinandro ity. Mbola misokatra ho an'ny be sy maro nefa ny lalana mandra-pahatongan'izay fotoana izay hoy ny Ministry ny asa vaventy... ♦ Manohana Faritra miisa telo momba ny fampandrosoana maharitra ny fandaharan'asa PADDI GIZ. Manatsara ny fidiram-bolan'ny mponina manodidina ny faritra arovana koa ny fandaharan'asa... ♦ Any amin'ny laharana fahatelo ao amin'ny vondrona misy azy ny Barean'i Madagasikara mandray anjara amin'ny CHAN 2025. Nandresy an'i Centre Afrique tamin'ny isa 2 noho no aotra, ny malagasy omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...