♦ Nanonona ny voady mandrakizay, tany Betafo, omaly, ireo frera miisa 4 mirahalahy an'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco. Niatrika ny Sorona Masina tamin'izany ny Lehiben'ny Fikambanana Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... ♦ Tsy voahaja ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana sy ny fisarahan'ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana fitsaràna hoy ny mpisolo vava Maître Rafidison Eric, tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny filohan'ny repoblika tamin'ny haino aman-jery momba ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Hametraka jiro manazava ny tanàna mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho an'ireo mponina iasany ny orinasa Bondy...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...