♦ Hitondra tatitra sy hanazava amin'ny vahoaka momba ny raharaha Ambohimalaza ny ministra tompon'andraikitra sy ny filoha ny alakamisy izao. Handeha mivantana amin'ny haino aman-jerim-panjakàna izany... ♦ Handray fepetra ny Ministera momba ny fihetsika ataon'ireo mpitsabo sasany eny anivon'ny hôpitalim-panjakàna. Hanazava ny momba izay eto ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka amin'izao vaovao izao... ♦ Rava hatrany amin'ny 90% ny tsenanà Sabotsy-Antsirabe, raha ny tombana, vokatry ny fahamaizana, omaly hariva. Misy tamin'ireo mpivarotra no tsy nandroaka afatsy lavenona ny entam-barony, androany maraina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...