♦ Mbola misy tsy afaka miteny hatramin'izao ireo mararin'ilay fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza noho ny fitsaboana azy ireo. Nitondra fanazavàna ny teo anivon'ny HJRA, omaly... ♦ Tsy tokony hotohizana intsony ny dinika amin'ny Frantsay momba ireo nosy malagasy manodidina hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Mbola misy ny fanantenana ny ahitana ilay sambo tsy hita popoka tany Mahajanga hoy ny Ministry ny Fitanterana. Nambarany fa mbola tsy nisy ny porofo hatramin'izao manambara fa rendrika ny sambo... ♦ Mikaondoha anio ireo firenena mandrafitra ny Vondrona Eraopeana, mijery izay fepetra ho raisina hanasaziana an'i Israel...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...