♦ Nanamarika ny andro afrikanina ho an'ny ady atao amin'ny kolikoly isika teto Madagasikara omaly faha-11 jolay. Nohazavaina nandritra izany ny paik'adim-pirenena vaovao iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny mponina. Lohahevitra novoizina ny fanomezana ny tanora ny fomba hanorenany ny fianakaviana araky ny safidy ao anatin'ny tontolo marina sy feno fanantenana... ♦ Manohy ny ady sisika amin'ny fampiakarana karama ny valabe firaisankinan'ny sendika eto Madagasikara. Misy ny hetsika fanangonan-tsonia ataon'izy ireo hitakiana izany...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...