♦ Tsy mbola misy mangirana aloha hatreto ny vokatry ny fikarohana nataon'ny sambo Antsantsa momba ilay sambo A.W tsy hita nanomboka ny 16 jona lasa teo. Efa natao koa ny fanadihadiana tamin'ireo firenena manodidina saingy mbola tsy misy ny vaovao marim-pototra... ♦ Tsy isan'ireo vokatra nahazo ny taratasy fanamarinana fa azo hanina sy jifaina ny menaka ROOTS hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Nandrombaka ny laharana voalohany tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany natao tany Marseille-Frantsa tamin'ny tsipy kanetibe indray ny ekipa Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...