♦ Manainga antsika Malagasy tsy misy fanavahana mba samy hisalotra ny hambompom-pirenena amin'ny fitakiana ireo nosy Malagasy ny Sendika SECES... ♦ Tsy maintsy nopotehina sy nodorana ireo menaka 56 baoritra ahitàna tavoahangy 672 isa tratra tany Antsirabe, izay voamarina fa tsy azon'olombelona hohanina... ♦ Mitohy ny angaredona amin'ny fikarohana ilay sambo A.W, izay tsy hita efa ho telo herinandro izao... ♦ Mavesatra ny vokatry ny tondra-drano any Texas, farafahakeliny 78 ireo maty. 27 ireo tovovavy mbola tsy hita popoka...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...