♦ Olona 7 isa indray no matin'ny fahapoizinana ara-tsakafo any Ambositra. Sakafo nohanin'ny fianakaviana noho ny hafaliana fahavitàna Kôminio Voalohany no nahatonga izao loza izao... ♦ Mpitandro ny filaminana 4.000 isa no hahetsika rahampitso mandritra ny fandefasana ny Afomanga etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato. Tsy ho latsak'izany koa ireo hanao hetsika eny Mahamasina amin'ny 26 jona izao... ♦ Niaka-bidy indray ny lafarinina eto Madagasikara tato ho ato. Tafakatra any aho an'ny amin'ny 240.000Ariary ny iray gony amin'izao. Sarotra ny fahitàna lafarinina ho vidiana hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...