♦ Nilamina amin'ny ankapobeny ny tapany maraina ho an'ny fanadinana CEPE Katôlika ho an'ireo sekoly katôlika manerana ny nosy... ♦ Hentitra ireo fepetra napetraka ho an'ireo mpanatrika ny Fivoriamben'ny Sampana eo anivon'ny Sendika Seces androany teny Ankatso... ♦ Ankoatra ny olan'ny fifidianana kaominaly izay mbola tsy vita famerenana, mitarika olana hafa koa ny fanendrena sefo fokontany ankehitriny... ♦ Nirary soa ary nanentana ireo mpandray anjara amin'ny Fivahinianana Masina izay tafiditra anatin'ny Jaobilin'i Afrika, tao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera, ny Papa Léon-XIV...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...