♦ Fianakaviana tsy manan-kialofana miisa 12 no manaiky hiverina any an-tanindrazany any Vakinankaratra, rehefa nialokaloka teny amin'ny Centre SEBa sy MAD CAP eny Isotry, hitohy ny hetsika tahaka izao, hoy ny Ministry ny mponina sy ny firaisankina... ♦ Ny 58% amin'ny ankizy mpianatra eto Madagasikara dia saika efa niharan'ny herisetra tany an-tsekoly avokoa, raha ny tatitry ny fikambanana tsy miankina Stop Harcèlement Scolaire... ♦ Mahatsiaro tena ho atao anjorom-bala i Frantsa amin'ny fisitrahana ny fitrandrahana ireo harena ankobon'ny tany eto Madagasikara ka izay no mahatonga ity firenena ity maniry ny hitrandraka ny "terres rares" eto amin'ny nosy...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...