♦ Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, ary nisy ny voasambotra nandritra ny hetsika nataon'ny mponina tany Vatomandry ny sabotsy teo. Tsy mankasitraka ny fametrahana samboady ho an'ireo ben'ny tanàna izay ambaran'izy ireo fa tsy lanim-bahoaka... ♦ Hitarina sy asiam-panamboarana ireo seranam-piaramanidina maromaro izay tantanan'ny ADEMA manerana ny nosy, mba ahafahana mandray ireo sidina iraisam-pirenena... ♦ Ezahina homena kôpia naterahana avokoa ireo ankizy miaina andalambe ao an-drenivohitra, raha ny fantatra nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizin'ny lalana ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...