• Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alina na ny sabotsy maraina, ilay rivodoza Jude. Any amin'ny Distrikan'i Toliara Voalohany sy Faharoa izy no hikasika an'i Madagasikara... • Tsy mbola nisy fehin-kevitra tena nifanarahana tamin'ny fihaonan'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana Vaovao sy ireo mponin'i Ivato voakasiky ny fanitaran-dalana... • Vao mainka mihasimba ny Lalam-pirenena faharoa, izay lalan-dran'ny toe-karena malagasy amin'izao. Efa potika indray izay efa namboarina kely teo aloha, hoy ny fanazavan'ireo mpampiasa ny RN2...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...