• Handray ny asany amin'ny maha ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra azy rahampitso Ramatoa Ramanantsoa Harilala. Hatao eo amin'ny fidasin'ny Lapan'ny tanàna Analakely ny lanonana ametrahana azy ôfisialy...
  • Averina ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina ao amin'ny kaominina Andohan'Ilakaka Distrikan'Ihosy. Izay no didy navoakan'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna Faritanin'i Fianarantsoa...
  • Misedra fahasahiranana amin'ny fambolem-bary ny ao amin'ny lemak'Alaotra. ny 20% maherin'ny tanimbary ao Ambatondrazaka no voaketsa ary raha toa ka 40% izany ho an'ny ao Amparafaravola...
  • Nandefa miaramila miisa 1.500 any amin'ny sisin-tany faritra atsimon'i Etazonia ny fanjakàna amerikanina, ho fiarovana ny sisin-tany amin'ny fidiran'ny mpifindra monina antsokosoko...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...