• Manentana ny olon-dehibe handray anjara amin'ny andro nasiônalin'ny olon-dehibe andiany faharoa hatao any Morondava amin'ity taona ity ny filohan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny asa fanirahana ataon'ny Laika Mgr Fidelis Rakotonarivo...
  • Mila midina any amin'ny antsasany ny vidin-tsolika ary marin-toerana vao misy akony amin'ny vidin'entana ilain'ny mponina an-davan'andro izany hoy ny mpahay toe-karena Ratsietison Jean Jacques...
  • Tsy hihemotra fa hanohy ny fivoriana hamoriana ny mpanao pôlitika mitovy hevitra aminy ny HPM hoy ny filohany Ralison Roger. Mitanila amin'ny fampiharana ny fepetra ny Fanjakàna araka ny Fanazavany...
  • Mety hiverina indray ny tafio-drivotra mafy any Los Angeles hoy ny mpamonjy voina ka mety hampihanaka ny afo indray. Mety hatratra hatrany amin'ny 130km/h

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...