• Mbola tsy nikatona tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin'izao herinandro mialoha ny fifidianana izao. Nametraka ny ahiahiny koa ny antoko TIM, ankoatra ireo kandidà 4 mirotsaka ho fidiana ao an-drenivohitra...
  • Sarona ny tambajotra mpamarina olona mankany ivelany ; voasakana tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ireo vehivavy malagasy saika hamidy any ivelany...
  • Havaozina ihany koa ny lalàna momba ny fampiasam-bola goavana amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany eto Madagasikara. Nisy ny fakàn-kevitra momba izany, nokarakarain'ny Ministera mpiahy...
  • Mitsidika any Arabie-Saoudite ny filoha Frantsay, anisan'ny horesahiny amin'ny tompon'andraiki-panjakàna any ny toe-draharaha momba ny adin'i Israël sy ny Hezbollah any Liban...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...