Manahy ny KMF/Cnoe fa hanova ny kalitaon'ny fifidianana amin'ny 11 desambra ny resaka "ordonnance" sy ny fanemorana ny fangatahana azy...
Tokony tsy hisy fiantraikany amin'ny mpanjifa sy ireo mpanao Cash point ilay hetra vaovao alaina amin'ny Mobile Money, hoy ny fikambanana PMH. Mitaky ny hanajàna ny voalazan'io lalàna io, ity mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity...
Olona telo no maty nosein'ny kamiao iray mpitondra fasika tapaka hisatra, tany Ankazondrano Fianarantsoa. Mpanao Gazety iray no naratra sy namoy ny zanany roa, vokatr'izany...
Hatahorana indray ny haharava ny fampiatoana ny ady any Liban. Nilaza ny Hezbollah omaly fa nanafika toby miaramila tany Avaratr'i Israël, noho ny fandikàn-izy ireo ny fifanarahana...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.