♦ Nampiaka-peo i Kômôro, manoloana ilay fanidiantsika ny sisin-tany amin'ny alalan'ny fitanterana olona an-dranomasina avy atsy amin'ity nosy ity. Namaly izany koa omaly ny Fanjakàna Malagasy, omaly... ♦ Tsy hampisy fifidianana madio ny fanentanana ny olona haka "ordonnance" eny amin'ny Fitsaràna, hoy ny MFM. Miahiahy io resaka io amin'ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao ity antoko ity... ♦ Hanao hetsika indray ato ho ato ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy, ho fanohizana ny fitakiana ny famahàna ny olan'ny mpiasa. Tafiditra ao anatin'izany ny resaka herinaratra amin'izao... ♦ Nolavin'i Korea-Avaratra ny filazàna fa mamatsy ara-tafika an'i Rossia amin'ny ady any Ukraine izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...