♦ Niatrika fivoriana nikaton-trano teny Tsimbazaza ny maraina teo ireo solombavambahoaka sy ny ministry ny vola sy ny toe-karena, lahadinika teo amin'izy ireo ny momba ireo tombontsoa sy tambi-karaman'ny solombavambahoaka tsy voaloa... ♦ Tsy manana fahaiza-manao ny 85% amin'ny mpampianatra eto Madagasikara, 70% ny mpanabe no mpampianatra FRAM avokoa, hiompana amin'ny fampiofanana ny tanora manomboka izao ny Génération Mada... ♦ Simba tsy mamaly ny filàna misy ny ankamaroan'ireo foto-drafitr'asa ho an'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa, torak'izany koa ny fandaharam-pianarana sasany, isany noresahan'ny ministera tamin'ireo mpiara-miombon'antoka taminy ireo...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241017.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...