♦ Manamafy ny fanentanana ireo maniry ny ho kandidà ben'ny tanàna ny CENI mba tsy hiandry ny fotoana farany amin'ny fanaterana taratasy eny anivon'ny OVEC... ♦ Hentitra ny fiarovana ny taratasim-panadinan'ireo mpiadina ho mpandraharaha ny fonja miisa 9.284. Fifaninanana lavitry ny kolikoly no tanjona, hoy ny tale jeneralin'ny ENAP... ♦ Misolo tena ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina amin'ny fivoriamben'ny firenena mikambana izay tanterahana manomboka anio any New York, ny Praiministra Ntsay Christiana... ♦ Nampitandrina amin'ny mety hisian'ny Tsunami any amin'ireo nosikely manakaiky an'i Tokyo ny fitondrana japoney, taorian'ny horohoron-tany nahatratra 5,6 Richter...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240924.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...