♦ Tsy tanteraka ny hetsika fotoam-bavaka sy fitsofan-drano ny kandidà Ben'ny Tanànana sy Mpanolotsaina avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara, izay nokasaina natao teny amin'ny Magro Behoririka androany... ♦ Hamory ny sendikan'ny mpiasa ny KIM Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy, ny sabotsy 7 septambra 2024, eny amin'ny Kianjan'Antsahamanitra... ♦ Mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara ny seha-pihariana lohamenaka. Antony namolavolana ny tetikasa ARCHE, izay nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany teny Ankorondrano...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240904.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...