♦ Efa tonga an-tanindrazana ary alefa any amin'ny faritra arovana any Berenty, ireo sokatra 142 sisa velona tra-tehaka tany Comores. Sokatra miisa 208 hafa, saika ahondrana an-tsokosoko kosa, saron'ny zandary tetsy akaikin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizan'izy ireo ny hetsi-pitakiana ataony, hoy ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra... ♦ Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no hita faty, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, tao amin'ny Kaominina Imerintsiatosika omaly...

[audio src="/images/sounds/jma-20240821.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...