♦ Efa tonga an-tanindrazana ary alefa any amin'ny faritra arovana any Berenty, ireo sokatra 142 sisa velona tra-tehaka tany Comores. Sokatra miisa 208 hafa, saika ahondrana an-tsokosoko kosa, saron'ny zandary tetsy akaikin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizan'izy ireo ny hetsi-pitakiana ataony, hoy ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra... ♦ Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no hita faty, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, tao amin'ny Kaominina Imerintsiatosika omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...