♦ Tsy miombon-kevitra amin'ny hitazonana ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina kaominaly amin'ny volana novambra ho avy izao ny vovonana iombonan'ny tanora malagasy na ny COJM... ♦ TSy maintsy omena valiny avokoa ny fitarainana rehetra momba ny fomba fiasa eny amin'ny seranam-piaramanidina hoy ny Filoham-pirenena nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Tompon'andraikitra miisa roa no ahiahiana amin'ny fanaovana kolikoly mampitaraina ny mpandeha... ♦ Misedra olana amin'ny fanondranana ny vokany ny kaoperativa Taratra any Analanjirofo amin'izao fotoana izao. Betsaka loatra hoy ny tompon'andraikitra ny pitsopitsony ara-bola alo noho ny lamina misy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...