♦ Manana hatramin'ny 6 aogositra izao ny Fanjakàna hamoahana ny didim-panjakàna hanaikàna ny mpifidy, raha hotazonina amin'ny 6 novambra ny daty ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina... ♦ Mampitandrina ireo milaza ho manana laza adina Bakalôrea sy manaparitaka izany ny Ministry ny Filaminam-bahoaka. Miahiahy amin'io tranga io ireo mpampianatra sasany, amin'izao mialohan'ny fanadinana izao... ♦ Niverina nanao fihetsiketsehana indray ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny Cité Universitaire eny Ankatso faharoa omaly hariva. Tsy nivaha ny olan'ny famatsiana rano sy jiro, eny amin'ny tranon'ny mpianatra R+1...

[audio src="/images/sounds/jma-20240720.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...