♦ Miandry ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao, vao mety hisy ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina. Mijanona ho soson-kevitra hatramin'izao ilay datin'ny 6 nôvambra naroson'ny CENI... ♦ Volamena maherin'ny 6.400 kilao no tafavoaka an-tsokosoko teto Madagasikara, teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2023... ♦ Mbola sarotsarotra ny famerenana amin'ny laoniny ny herinaratra any Toamasina, tao aorian'ny fahatapahana faobe omaly hariva. Vinavinaina mbola hitohy hatramin'ny rahampitso hariva ny asa, hoy ny JIRAMA...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...