♦ Caravane, filaharam-be, hetsika fanentanana sy fampisehoana miaraka amin'ny mpanakanto, santionany tamin'ny fanokafana ny andron'ny fampielezan-kevitra nataon'ireo kandidà ny tapany maraina teo... ♦ 80% amin'ny toeram-pitsaboana fototra na CSB manerana ny nosy dia ny "infirmier" avokoa no mitazona azy, manamarika ny herinandro ho an'ny "infirmier" isika eto Madagasikara hatramin'ny 12 mey izao...  ♦ Isan'ireo firenena mizaka ny voka-dratsy hateraky ny fiovaovan'ny toetry ny andro, izay miatraika mivantana amin'ny asa isika eto Madagasikara hoy ny Ministry ny asa, asa-panjakana ary ny lalàna sôsialy... ♦ Nahaton'i Etazonia tamin'ny herinandro teo ny famatsiana fitaovam-piadiana an'i Israely...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240508.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...