♦ Nifarana ny fankalazana ny faha-100 taona niorenan'ny Antilin'i Madagasikara. Notokanana ny faran'ny herinandro teo ny vavahady miditra amin'ny tanànan'ny Antily ao Marlix Andakana Ambohidratrimo... ♦ Tontosa tamin'ny herinandro teo ny dinika an-databatra boribory niarahan'ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy nandinihana ny ahafahana manampy ny tanora amin'ny sehatry ny asa... ♦ Mandray anjara amin'ny fihaonana an-tampony ho an'ny IDA mahakasika an'i Afrika tanterahana any Naïrobi Kenya ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ; fihaonana an-tampony manomboka androany... ♦ Nitsidika tany Venise ny Papa François omaly...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240429.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...