♦ Maro amin'ireo kandidà ho solombavambahoaka no efa mamita-bahoaka sahady hoy ny antoko Teza. Mpanao lalàna no asan'ny solombavambahoaka fa tsy mpanao fandaharan'asam-pampandrosoana... ♦ Efa miomana amin'ny fanaraha-maso ny zotra-pifidianana ny vovonana Firaisan-kina. Tsy azo ekena intsony ny endrika hosoka sy fanovàna ny voka-pifidianana hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manohitra ny fandalovan'ny "ligne télépherique" eo ambonin'ny faritry ny toeram-panabeazany ny sekolintsika eny Analamahitsy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ireo mpanabe sy ny ray aman-drenin'ny mpianatra ao, androany maraina...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240423.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...