♦ Hamoaka ny antontan'isa vonjy maika amin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, ny CENI Foibe, anio maraina. Manana 20 andro hitsirihana ny lisitra eny amin'ny fokontany, ireo olom-pirenena... ♦ Vonona hanome tànana ireo tanora mpandraharaha liana amin'ny fananganana orinasa, ny tetikasa SEEED. Hisokatra anio ary haharitra 22 andro ny fandraisana ny antonta-taratasin'ireo maniry hanaraka izany... ♦ Mitombo ny isan'ireo olona marary saina ary miha-tanora izy ireny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...