♦ Mbola azon'ireo vao feno taona atao ny misoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy aorian'ny fiverenan'ilay lisitra avy any amin'ny Distrika eny amin'ny Fokontany... ♦ Fonjaben'Antaimora : Miroso amin'ny fanomezana fiofanana arak'asa ho an'ireo vehivavy voafonja ny ministeran'ny fitsaràna... ♦ Mitaraina noho ny fanararaotana ataon'ireo mpanangom-bokatra any an-toerana ireo mponina ao amin'ny kaominina Andriambesoa Distrikan'i Betafo... ♦ Niatrika ny fitsarana Amerikana nanomboka omaly ny filohan'i Honduras teo aloha Juan Orlando Hernandez, voarohirohy noho ny resaka trafika zava-mahadomelina...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240221.mp3" background="#0099ffff"] 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...