♦ Nahavita ny fihanianany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka nandraisany ny asa maha filohan'ny repoblika azy ; banga ny toeran' ireo vondron'ny kandidà 11, nandritra ny lanonam-pihanianany teny Mahamasina... ♦ Nilaza ho nisy nandrahona hisambotra ireo ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, nanao fomba ara-drazana teny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo izy ireo ny sabotsy teo ho fanoherana ny lanonam-pihanianana teny Mahamasina ♦ Miantso ireo mpisehatra pôlitika rehetra eto Madagasikara hisian'ny fifampidinihana pôlitika ny masoivohan'ny Angeletera eto Madagasikara, mila hapetraka ny fifampitokisana mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana manaraka hoy izy...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...