♦ Nilaza ny hanohy ny tolona efa nitakiany ny hisian'ny fahamarinana eto amin'ny firenena, ny vondron'ireo kandidà. Hivadika ho tolom-bahoaka amin'izay manomboka izao ny hetsika, hoy  izy ireo androany, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety teny Andraharo... ♦ Niparitaka ny feo fa nisy manam-boninahitra roa eo anivon'ny Foloalindahy, nosamborina, nikotrika fanonganam-panjakana. Nandiso ny fiparitahan'izany vaovao izany ny teo amin'ny Zandarimariam-pirenena androany... ♦ Hihaona amin'i Tchad indray anio alina, ny Barean'i Madagasikara, anatin'ny fifanintsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...