♦ Nitsidika tamin'ny fomba fanajàna ny solotenan'ny Papa François eto Madagasikara Nonce Apostolique Mgr Tomaz Gryz ny fikamban'ny silamo eto Madagasikara... ♦ Mpanao gazety iray no niharan'ny herisetra sy ny ramatahora teo am-panatanterahana ny asany, amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Hanatanteraka adihevitra mivantana ao amin'ny haino aman-jerim-panjakàna; anio hariva, ireo kandidà miisa 3, efa niroso tao anati'ny fampielezan-kevitra... ♦ Miisa 200.000 ny isan'ireo olona afaka nandositra nihazo ny faritra atsimon'i Gaza, tao anatin'ny 3 andro noho ny famelan'ny tafika israeliana azy ireo, hiala anatin'ny ora voafetra...

 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...