♦ Tafahaona tamin'ireo mpiara-dia aminy eny Mahitsy ihany androany, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, na teo aza ny sakana samihafa. Nanamafy ny hisian'ny hetsika eny amin'ny Kianja 13 mey, ireo kandidà... ♦ Ho hentitra sy hisy fisavana rahampitso eny Analakely. Hikatona manomboka amin'ny 5 ora sy sasany maraina koa ny fidirana eny an-toerana... ♦ Nisy ireo sendikà sy ray aman-dreny ara-drazana, nanao fanambarana iombonana, mitaky ny hisian'ny fifampidinihana sy hanemorana ny fifidianana...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...