♦ Tsy afaka manao ny tatitra eo amin'ny kianjan'ny 13 mey ny sabotsy izao ny solombavambahoaka TIM ao Antananarivo Renivohitra hoy ny Prefet an'Antananarivo. Azon'izy ireo atao eny amin'ny Magro Tanjombato izany tatitra izany araka ny valin'ny fangatahana nataon'ny députés omaly... ♦ Velon-taraina ireo mponina amin'ny tanàna iray any amin'ny Faritra Menabe fa maro izy ireo no tsy tafiditra tao anatin'ny lisi-pifidianana ka tsy afaka manefa ny adidiny amin'ny fifidianana... ♦ Mbola tsy ampy ny isan'ny pôlisin'ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara. Takian'izy ireo ny hampitomboana ny isany... ♦ Miatraika amin'ny seha-pampianarana ny herisetra sy ny tsy fandriam-pahalemana any Burkina Fasso...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...