♦ Hanohy ny fihaonana amin'ireo hery velona eto amin'ny firenena ny vondron'ireo kandidà. Tsy hisy ny hetsika fitakiana ataon'izy ireo anio. Fanapahan-kevitra taorian'ny fihaonana tamin'ny FFKM omaly... ♦ Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho amin'ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza isika eto Madagasikara. Nanomboka omaly nitohy androany ny hetsika anamarihana izany, iarahan'ny BNGRC sy ny CPGU ary ny PNUD... ♦ Olona efatra no maty tao amin'ny kaominina Tsianisiha, Distrikan'i Toliara faharoa, Faritra Atsimo-Andrefa noho ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina... ♦ Nanomboka androany ny Sinaodin'ny Eveka andiany faha-16, notarihan'ny Papa François...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...