♦ Tsy marina ny filazana fa nijanona ny tetikasa Pipeline Efaho, fitarihan-drano any atsimo, hoy ny Minisitry ny Rano... ♦ Mponina an-jatony mipetraka amin'ny trano zato tafo eny amin'ny Fokontany Morondava Antehiroka, nokasain'olom-bitsy hesorina amin'ny trano onenany sy nohajariany tao anatin'ny 30 taona... ♦ Nahitana razana miisa valo tao amin'ny toeram-pitsangatsanganana iray tany Mexique, mbola tsy fantatra ny anton'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...