♦ Andrasana ao Antsiranana  amin'ny sabotsy izao ny afon'ny lalaon'ny nosy. Hitety tanàna maro eto amin'ny nosy izy aorian'izany mandra-pahatongany ao amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina hanatanterahana ny lanonam-panokafana ny lalaon'ny nosy andiany faha-11... ♦ Mitohy ao amin'ny distrikan'i Vohemar androany ny fitsidiham-paritra ataon'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina any amin'ny Faritra Sava. Tao amin'ny Distrikan'Andapa izy omaly... ♦ Miantso ny CENI hamoaka ny vinavinan'ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny Antoko Politika Madio na ny APM... ♦ Raharaha any Niger : mihaona ao Abouja-Nizeria, androany, ireo filoham-panjakàna ao amin'ny CEDEAO...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...