♦ Haverina rahampitso amin'ny 7ora sy 30min maraina ny taranja tantara sy jeografia amin'ny fanadinana Bakalôrea araka ny fanapahan-kevitra nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Manana safidy malalaka ny mpiadina na hamerina izany na tsia. Hisy ny naoty fanampiny omena ny mpiadina rehetra amin'ny sokajy A1, A2, C sy D amin'ny adina tantara sy jeografia... ♦ Nodimandry omaly maraina ny Aomonie nasiônalin'ny Fivondronan'ny Eokaristikan'ny Tanora sy ny AFAFI eto Madagasikara, Mompera Andrianarisoa Odon Honoré... ♦ Hidina andalam-be ny RMDM hanohitra ny ambaran'izy ireo fa fisian'ny vahiny mitondra an'i Madagasikara, nanoloana ny resaky ny Filoham-pirenena momba ny zom-pireneny ny alahady teo...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...