♦ Nahazo Eveka vaovao ny Diôsezin'Antsirabe. Notendren'ny Papa François ho Evekan'ity Diôsezy ity i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nitokona tsy niasa ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo renivohitra omaly. Velon-taraina izy ireo fa mbola tsy nandray karama volana jona. Misedra olana ny fandoavan-ketra, hoy ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo, etsy ankilany... ♦ Olona miisa 5 nampidirana am-ponja noho ny fanalam-baraka ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny jeneraly Serge Gellé. Maromaro ireo fandikan-dalàna nanenjehana azy ireo ka handalo fitsaràna amin'ny 25 jolay ny raharaha... 

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...