♦ Hirosoana amin'izay ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo, araka ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny ministra manokana, omaly. Ampahan-dalana miisa 11 no nankatoavina fa amboarina amin'izany... ♦ Tsy tokony ahilika any amin'ny Bianco irery ny ady amin'ny kolikoly fa andraikitry ny olom-pirenena rehetra, hoy ny tale jeneraliny. Miantso ny tanora amin'izany ady atao amin'ny kolikoly izany izy, omaly... ♦ Hampiova ny toe-karena ara-bola eto Madagasikara ny lalàna mifehy  ny fampiasam-bola nolaniana teny amin'ny Antenimiera farany teo hoy ny manampahaizana manokana momba ny lalàna, Raphaël Jacob. Tsy hisy intsony, hoy izy, ny fanomezana tombondahany ny mpampiasa vola sasany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...