♦ Hodinihana mandritra ny fivoriambe ara-potoanan'ny filan-kevitra mpanatanteraky ny Vondrona Afrikana amin'ity volana jolay ity ny momba ny teti-bola ampiasaina. Handray anjara amin'izany i Madagasikara amin'ny alalan'ny Ministry ny Raharaham-Bahiny sy ny Ministry ny Fitantanam-Bola... ♦ Miantso ny Fanjakàna sy ny mpiara-miombon'antoka avy any ivelany sy ny eto an-toerana ny Transparency International Initiative Madagascar hanara-maso ny fanampiana hatolotra ny mponina ianjadian'ny kere any Atsimo... ♦ Marary ny fampianarana ambaratonga ambony hoy ny SECES Sampana Antananarivo. Kasain'ny fitondrana haàna 10% ny ora fanampiny sy ny tambin-karaman'izy ireo notakiana nandritra ny efa-taona...