♦ Mila hapetraka ny fitoniana pôlitika vao tokony hirosoana ny fifidianana hoy ny antoko Tamami. Mitaky ny hanovàna ny governemanta, hisokatra amin'ny mpanohitra ity antoko ity, mialohan'ny fifidianana... ♦ Olona miisa 8 no naratra, am-polony nosamborina, vokatry ny hetsika fanoheran'ny andian'olona ny fitrandrahana ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro. Raikitra ny fifandonana teo amin'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana tao Mandena, omaly... ♦ Manahy korontana amin'ny baolina kitra malagasy indray ny K2HB, noho ny toe-javatra misy amin'ny fifidianana filohan'ny seksiôna amin'izao. Tokony hovàna ny rafitra sy ny fomba fifidianana mba hisorohana izany hoy ity kômity ity...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...