♦ Nankalaza ny faha-27 taona nijoroany ny Radio Don Bosco ny talata lasa teo. Radio Katôlika ho an'ny Malagasy tantanan'ny fikambanana Saleziana eto Madagasikara. Tsy mirona amin'ny firehen-kevitra pôlitika hoy ny lehiben'ny fikambanana Mompera Innocent Bizimana...  ♦ Efa tonga ao amin'ny Diôsezin'i Morondava ny Eveka Mpanampy any amin'ity Diôsezy ity Mgr Jean Nicolas hoamasinina amin'ny alahady ho avy izao... ♦ Tsy hain'ny mpitondra ankehitriny hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga ny mamaritra ny laharam-pahamehana. Tsy mahagaga hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo raha toa ka izao no toerana misy ny firenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...