♦ Hifarana tanteraka rahampitso ny fampidirana ny anaran'ny mpifidy anaty lisi-pifidianana. Mbola manana fotoana ireo tsy voasoratra anaty lisitra, ahafahany mifidy amin'ny fifidianana amin'ity taona ity... ♦ Manamafy ny paik'ady iadiana amin'ny fiparitahan'ny didim-pitsarana hosoka, ny Minisiteran'ny Fitsarana. Misy ny fametrahana ny antsoina hoe : "Standard de service" ho an'ireo manan-draharaha eny amin'ny Fitsarana... ♦ Hiakatra kianja voalohany ny Ekipam-pirenena malagasy amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany eo amin'ny Basket 3 contre 3. Lalao roa avy hatrany no hatrehan'ny Ankoay any Vienne Autriche...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...