♦ Manentana ny olom-pirenena hanefa ny anjara adidiny, amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ka nitsidika biraom-pokotany tao amin'ny Boriboritany faha-4, izy sy ireo mpiara-miasa aminy androany... ♦ Niverina ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est), na ny fitaterana entana, na ny fitaterana olona. Nitokana izany androany ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Tsy misy olana ara-tsolika, fa noho ny fanatsarana ireo fitaovana fitsinjarana herinaratra ato anatin'ny Tabazotra Iraisan'Antananarivo no mahatonga ny fatapahan'ny herinaratra misy amin'izao fotoana izao, hoy ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...