♦ Tontosaina eto Madagasikara, mandritra ny roa andro, ny fivorian'ny Filankevitry ny Governora, avy amin'ny firenena 24 mpikambana ao amin'ny fandintseranana, Faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo... ♦ Efa eo am-pijerena ireo fiaraha-miasa vaovao amin'i Madagasikara indray, ny Vondrona Eorôpeana ankehitriny. Nampahafantarina androany ireo tetik'asa an-jatony, izay hataony eto amintsika... ♦ Ho avy tsy ho ela eny Talata-Volonondry ny fitaovana vaventin'ny orinasa ejipsiana, hanaovana ny làlana migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...